Tsy nampoizina ! Vehivavy no maro an’isa tamin’ireo voasambotra noho ny resaka trafika rongony tany amin’iny faritra Antalaha iny, ny alakamisy lasa teo. Tratra niaraka tamin’izy ireo moa ny rongony an-jatony kilao mahery, izay efa vonona ny haondrana.
Efa iarahan’ny rehetra mahafantatra tokoa fa mifanindran-dàlana foana ny resaka zava-mahadomelina sy ny firongatry ny tsy fandriampahelamana. Izany rahateo no mahatonga ny eo anivon’ireo mpitandro filaminana hiady tanteraka amin’ny fiparitahan’itsy voalohany. Tamin’ny alàlan’ny angom-baovao isan-karazany no nandrenesan’ny teo anivon’ny Vondro-tobim-paritry ny zandary ao Antalaha ny fisiana tambajotra iray, mpamboly sy mpibizina rongony any amin’iny faritra iny. Taorian’ny fanamarinana ny vaovao sy ny fitsongoana dia, dia fantatr’ireo mpitandro filaminana fa ao Ambondrona no misy azy ireo ka nidinana avy hatrany tany an-toerana. Tokantrano telo samihafa no nanaovana fisavana, hoy ny fampitam-baovao azo ka samy nahitana rongony maina efa vita voatra ary vonona ny haparitaka avokoa. Vehivavy telo no voarohirohy tao anatin’izany ary nisy lehilahy iray hafa, izay efa niara-nosamborina avokoa. Mitontaly eo amin’ny 124 kilao latsaka teo kosa ny lanjan’ireo rongony sarona tao anatin’izany, izay miteti-bidy ho an-tapitrisany maromaro any ho any. Marihana, hoy ny vaovao fa mbola misy amin’ireo olon-dratsy no atao hazalambo sy karohina fatratra amin’izao, izay heverina fa anisan’ireo atidoha mikotrika ity resaka trafikana rongony ity. Ny zandary moa dia mampahafantatra hatrany fa « mba ho fiarovana ny fiarahamonina, anterina hatrany fa ho mafy ny sazy hianjady amin’ireo minia mamboly, mitazona, misera, midoroka, mivarotra, mividy, mitondra zava-mahadomelina toy ny rongony. »
m.L