Sambo mitondra ny anarana hoe “Nathalie” no narendriky ny onjan-dranomasina, ny alahady lasa teo, tany Antalaha. Avotra soa aman-tsara avokoa ireo mpandeha 11 tao anatin’ity sambo ity. Saingy natelin’ny ranomasina kosa ny entana nentiny, izay nahatratra teo amin’ny 400 taonina mahery teo, raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Ifaho, ao amin’ny kaominina Vinanivao, any amin’ny distrikan’Antalaha, no naharendrehan’ity sambo ity. Raha ny vaovao hatrany dia niala tao Toamasina saika hihazo an’Antalaha sy Vohémar ity sambo ity no tojo izao hetraketraky ranomasim-be, vokatr’ilay rivo-doza Fantala izao. Ity farany tokoa, na dia mbola any amin’ny 400 kilaometatra miala ny sisin-tanin’i Madagasikara aza dia izao efa misy akony amin’ireo faritra any amin’iny tapany Avaratry ny Nosy iny ny rivotra be entiny, izay manodidina ny 300 kilaometatra isan’ora eo ho eo, miampy ny andro ratsy. Mbola manentana hatrany ireo mponina, any amin’ireo faritra avaratry ny nosy sy iny morontsiraka Atsinanana iny, araka izany, ireo tompon’andraikitra mba tsy hiandriaka, noho izay ranomasina mahery izay. Raha ny mikasika ity sambo rendrika ity dia fantatra fa efa eny am-pelatanan’ireo mpitandro filaminana ny fanadihadiana.
m.L