Nisehoana loza an-dranomasina indray tany amin’iny faritra Sava iny ny andron’ny Paka lasa teo. Sambokely haingam-pandeha iray no rendrika teo anelanelan’i Sambava sy Antalaha, tokony ho tamin’ny telo ora maraina. Nitondra mpandeha efatra izy io, raha ny tatitry ny zandarimarim-pirenana tonga taty aminay. Ny iray amin’izy ireo no fantatra hatreto fa namoy ny ainy, ary ny telo kosa mbola tsy hita popoka hatramin’izao. Raha ny vaovao dia tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny loza, araka ny fampandrenesena nataon’ny Sampandraharaha miandraikitra ny fifamoivoizana an-dranomamy sy an-dranomasina, tamin’ny zandary tany an-toerana. Vao nahare ny loza moa ireto farany niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy dia nidina tany an-toerana. Araka ny vaovao azo hatrany dia efa tokony ho tamin’ny iray ora antoandro tany ho any vao hita ny vatana mangatsiakana lehilahy iray, izay teo anelanelan’i Farahalana sy Ambodiponisahana. Hatramin’io andro io dia mbola miezaka mikaroka ireo vatana mangatsiaka sisa mbola tsy hita ireo tompon’andraikitra maro any an-toerana ampian’ireo fokonolona sy mponina any amin’izany faritra izany. Etsy andanin’izay kosa dia manatevina ny fitadiavana sy ny fikaroham-baovao hatrany ireo zandary any an-toerana.
m.L