Renim-pianakaviana iray manan-janaka dimy mianadahy no maty novonoin’andian-jatovo tsy ampy taona, ny alin’ny 25 hifoha ny 26 jona teo, tao amin’ny Fokontany Andrapengy, any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ampahana, Distrikan’ Antalaha. Raha ny vaovao voaray, dia avy namonjy alim-pandihizana ka iny hamonjy fodiana iny ity vehivavy ity no nisy namono teny an-dàlana. Taorian’ity vono olona tamin’ny fomba feno habibiana ity, dia nanao ny fikarohana an’ireo nahavanon-doza ny mpitandro filaminana, ka tovolahy roa 16 sy 17 taona tamin’ireo voarohirohy no voasambotra, raha nitsoaka any amin’ny Distrikan’i Sambava kosa ny « foroches » roa hafa naman’ ireto tra-tehaka, izay mbola karohina fatratra atao hazalambo amin’izao.
Eric Manitrisa