- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAntanamalaza – Ambatolampy : Fanafihana sy fandorana tanàna

Antanamalaza – Ambatolampy : Fanafihana sy fandorana tanàna

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny kaominina Antanamalaza , Distrikan’Ambatolampy. Ny talata alina lasa teo izao dia andian-jiolahy no nanafika tao amin’ny tanàna kely iray antasoina hoe Antaimboraka ao anatin’io kaominina io. Rehefa azony izay ilainy dia nodoran’izy ireo  ny tanàna, ary dia nifindrafindra  toerana izy ireo. Marihina aloha fa tsy mbola nisy ny aina nafoy, satria mitsoaka lavitra ny tanàna ny olona amin’ny alina. Ny  zandary any an-toerana moa dia efa nampandrenesina avokoa. Fa mbola manao antso avo amin’ny tomponandraikitra ambony ireo mponina mba hijery azy ireo akaiky.

Vololona R .

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici