Nandalo fotoan-tsrotra tanteraka ny any amin’ny manodidina ny tanànan’i Bevilany sy Antanambao, ary ny kaominina ambanivohitra Mangabe iny, aty amin’ny disitrikan’i Maevatanàna, nandritra ny tsy fahitana an’ilay lehiben’ny zana-tobim-paritran’ny Zandary ao Bevilany, izay fantatra amin’ny anarana hoe: Sefo Laza. Nanao izay fomba namerenana an’io Zandary io ny vahoaka tany an-toerana, ary teo no niaina am-pilaminana tsy nisy tebiteby ny mponina. Raha hojerena sy hotantarana tokoa ny zava-nitranga tamin’ny Alakamisy faha-19 Desambra taona 2024 teo, tokony tamin’ny 01 ora maraina sy dimy minitra dia nahazo antso an-telefaonina tamin’Atoa Lucien, monina ao Antanambao/Bevilany, any amin’ny kaominina ambanivohitra Tsararano ny Zandary, fa nisy andian-jolahy nirongo basim-borona nandrava ny ombin’izy ireo, tao amin’ny toerana antsoina hoe: Ampirakandrovana, tao Ankara. Rehefa nahazo izany antso ny Zandary misahana ny » Poste fixe Bevilany, » dia niroso avy hatrany tamin’ny toerana nisian’ny fandravana no nampandrenesana nalaky, ihany koa ny lehiben’ny zana-tobim-paritry ny Zandary, ao Ambalajankomby, mba hanao ny sakana amin’ny toerana handalovan’ireo malaso mitondra ny omby halatra. Tampoka teo dia nifanehitra tamin’ireo dahalo nirongo basim-borona niisa roa sy fitaovana toy ny antsy, ary famaky, nandrava ny omby tao Ankara ny Zandary sy ny vatan-dehilahy, izay notarihan’ny Sefo Laza, tao amin’ny toerana atao hoe: Besakay, tokony 15 kilaometatra tsy hidirana kizo kijanan’i Valinjato. Nisy hatrany ny fifampitifirana noho ny fisian’ny sakana nataon’ny mpitandro ny filaminana, ka rehefa tsy nahatotra ireo dahalo dia nandositra. Vokany: azo teo am-pelatanan’ireo jiolahy ny omby miisa 110 ary efa naverina amn’ny tompony ihany koa izany. Tsy nisy kosa ny aina nafoy sy naratra, teo amin’ny Zandary sy ny vatan-dehilahy matanjaka. Mitohy hatrany ny fikarohana ataon’ny Zandary misahana ny zana-tobim-paritra Bevilany, ireo malaso tafaporitsaka.
Ratantely