- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAntanambao - Maevatanàna : Lehilahy iray naratra voafira famaky

Antanambao – Maevatanàna : Lehilahy iray naratra voafira famaky

Nisehoana asan-dahalo tany amin’ny toerana antsoina hoe Antanambao, kaominina Maevatanàna voalohany, ny zoma heriny teo. Vokany: ankoatra ny entana sy ny vola lasan’ireo dahalo dia voafira famaky ihany koa ny lohan’ny lehilahy iray izay fantatry ny be sy ny maro amin’ny anarana hoe Rafredd. Araka ny loharanom-baovao marim-pototra voarainay, dia dahalo miisa efatra mirongo basy no tonga nanafika tranom-barotra iray tany amin’io tanàna io, ka nahazoan-dry zalahy ny entana sy ny vola. Tsy fantatra mazava izay zava-niseho nandritra ny asa ratsin’ireo malaso fa dia ny fira famakin’izy ireo an’Atoa Rafredd no niseho, ka voatery tsy maintsy nalefa namonjy hopitaly ilay rangahy nony fahaverezan’ny rà be loatra. Nampandre malaky ny zandary ny fokonolona teo amin’ny manodidina izay 600m miala ny toerana nisehoan’ny fanafihana no misy azy  ireo, saingy namaly tsy nety nandeha izy ireo sady niteny hoe mandehana ianareo makany amin’ny polisy fa tsy asanay izany. Taitra ihany ny olona raha nahare izany. Efa nidina nijery ny zava-niseho tany an-toerana kosa ny polisy.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici