Araka ny fampitam-baovao nataon’ny solombavambahoakan’Antanambao Manampotsy, dia hamboaran’ny governoran’ny faritra Atsinanana, Rafidison Richard Théodore, ny lalana mampitohy azy ireo amin’ny kaominin’Iaka Est, RNT 20, izay efa tena ratsy sy potika tanteraka, mirefy eo amin’ny 50Km latsaka eo, nefa ataon’ny fiara tsy matahotra fotaka ao anatin’ny tapak’andro manontolo, na adiny 8 eo ho eo.
Milaza ny handefa ireo injeniera sy ireo teknisian’ny fanamboaran-dalana ny faritra Atsinanana amin’ity herinandro ity hijery ilay lalana hamboarina. Nambaran’ny solombavambahoakan’Antanambao Manampotsy fa tsy diso anjara amin’ny fanatsarana ny distrika araka ny nambaran’ny governora ny distrika misy azy ireo, ka izao efa hiatomboka izao izany fanamboaran-dalana miantoka ny fampandrosoana an’Antanambao Manampotsy, satria io lalana io no tena olana aminy amin’ny famoaham-bokatra izay maro any an-toerana.
Ankilan’izany dia mitaraina fatratra koa ireo mpampiasa ny lalam-pirenena faha-2 amin’ny fahasimbany ankehitriny, satria tsy mbola simba toy izao ity lalam-pirenena faha-2 ity hatramin’izay nisiany. Nambaran’ireo mpitatitra fa efa adiny 9 na adiny 10 ny fanaovana ny lalana amin’izao, izay sady manimba fiara no mandany solika ary mahavery entana noho ireo andian-jiolahy manararaotra ilay lalana simba. Toamasina hatrao Brickaville monja dia efa ataon’ny fiara iray ao anatin’ny adiny 4 na adiny 5 raha haingana indrindra, nefa natao teo amin’ny adiny iray na adiny roa teo aloha ny lalana 100Km.
Samy mikolay amin’ity halatra mitranga ity avokoa na ireo fiara mpitatitra olona amin’ny entan’ny mpandeha na dia mbola vitsy aza aloha no tratran’izany, na ireo fiara mpitondra entana, ka ny tena lasibatra amin’izany dia ireo kamiao mpitondra entana na amin’ny alalan’ny kaontenera na ireo kamiao tsotra mpitondra entana misaritaka.
Malala Didier