12 lahy tsy nisaron-tava nitondra basim-borona no nanafika tanàna, tao amin’ny toerana antsoina hoe Antanambao, fokontany Bevilany , kaominina Tsararano, ato anatin’ny distrikan’i Maevatanàna no nitrangan’izany , ny Asabotsy heriny teo, tokony ho tamin’ny sivy ora alina. Lasan’izy ireo ny omby rehetra teo an-toerana. Araka ny fanazavan’Atoa Nazah, izay ben’ny tanàna any an-toerana taminay hatrany , dia nitondra basim-borona sy fitaovam-piadiana maranitra ireo mpanafika. Ankoatra ny omby teo an-tanàna, dia norobain’izy ireo koa ny labiera sy finday ary ny vola. Voalaza, fa tsy nanapoaka basy ireo olon-dratsy, fa ny fitsofana kiririoka no nasesiny eran’ny tanàna,ary nandeha nitsoaka nizotra nianavaratra ny dian’izy ireo rehefa vita ny nataony. Tsy nisy naratra na maty tamin’ireo fokonolona niharam-boina, nandritra ny fanafihana nataon’ireo malaso. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany kosa ny fonolona sy ny Zandary avy ao Bevilany, saingy mbola tsy nisy vokany izany hatreto.
Ratantely