- Publicité -
vendredi, mai 2, 2025
AccueilFaits-DiversAntananarivo Atsimondrano : Novatsiana fitaovana hanatsarana ny fitsarana miaramila

Antananarivo Atsimondrano : Novatsiana fitaovana hanatsarana ny fitsarana miaramila

Fitaovana maro toy ny “ordinateur complet” 01, “imprimante performante » 01 ary taratasy fotsy « rame » 01 miaraka amin’ny ireo kojakoja mifanaraka fampiasa amin’izany no natolotry ny jeneraly Rasolonirina Jean Baptiste, Talen’ny Fanompoam-pirenena sy Fiandry ao amin`ny Ministeran`ny Fiarovam-Pirenena ny biraon’ny distrika misahana ny fiarovana eny Atsimondrano (BDD) ny alarobia 14 Aogositra 2019 lasa teo. Izao  fanomezana izao dia tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny asa amin’ny fanisana sy fitsarana miaramila ary fitahirizana ireo antontan-taratasy mikasika ny basy manerana ireo distrika 119 eto Madagasikara. Ireto fitaovana ireto dia fampitaovana avy amin’ny vondrona iraisam-pirenena « PNUD » na Fandaharan’asan’ny firenena mikambana amin’ny lafiny fampandrosoana izay natolony tamin’ny fomba ofisialy ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny 18 jona 2019 lasa teo nandritra ny fanokafana  tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa mikasika ny fanisana sy fitsarana miaramila ary fitahirizana ireo antonta taratasy mikasika ny basy.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici