- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAntananarivo : Filazana zaza very 824 no voarain’ny polisy nanomboka ny volana janoary

Antananarivo : Filazana zaza very 824 no voarain’ny polisy nanomboka ny volana janoary

Manoloana ireo filazana sy fampitam-baovao maro miparitaka amin’ny tambazotran-tseraser­a mangataka ny fanampian’ny mpiara-monina mba hikarohana ankizy na zaza tsy ampy taona ka miteraka tsahon-dresaka mikasika ny firongatry ny « hala-jaza » dia nanatanteraka valan-dresaka tamin’ny Mpanao gazety ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka ny zoma lasa teo.
Notsindriana manokana tamin’izany ny rafitra efa misy sy ny lamin’asa napetraka eo anivon’ny Ministera entina hiarovana ny zaza tsy ampy taona ny fanomezan-danja ny vehivavy sy fiarovana ny olona marefo.
Nohazavaina ihany koa fa raha ny taona 2019 manokana dia zaza tsy ampy taona very miisa 824 no nanaovan’ny fianakaviany fanambarana teo anivon’ny Sampan-draharaha manokana mikasika izany eo anivon’ny Ministera, ka ny 725 tamin’ireo no nampilaza fa hita ilay zaza, 623 tamin’ireo dia Polisy no nahita azy , ary ny ambiny kosa dia nody tamin’ny  nahim-pony teny anivon’ny ankohonany. Nandritra ny fanadihadiana dia fantatra fa ny 675 tamin’ireo zaza very ireo dia nandositra ny trano fonenany noho ny olana maro samihafa.
Manaitra ny fahatsiarovan-tenan’­ny tsirairay ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka mba hametraka fitarainana eny anivon’ny Polisim-pirenena raha sendra misy ny fahaverezan-jaza, satria izany ihany no lalana ahafahan’ny Polisy mandray andraikitra fa ny filazana anaty tambazotran-tseraser­a dia tsy manana lanja ara-pitsaràna. Entanina koa ny tsirairay mba hitoroka avy hatrany raha mahita tranga mampiahiahy mahakasika na manohintohina ny ain’ny ankizy. Ho an’ny eto Antananarivo dia misokatra ho an’ny rehetra ireto : PMPM Anosy : 034 05 529 72 ; DPMPM Tsaralalana : 034 05 703 73
T.M

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici