Tao anatin’ny roa andro, nahatratra folo ny olona mpivarotra sy mpifoka rongony nosamborin’ny polisy miady amin’ny fihanahan’ny zava mahadomelina teto amin’ny renivohitra. Maro ny faritra notetezina ka ny alarobia 27 aogositra teo tamin’ ny 08 ora maraina dia teny Ambohimangakely, Ambatomaro, Imerintsiatosika ary Andoharanofotsy no nanatanterahana izany.
Teny Ambohimangakely, olona telo no voasambotra ka vehivavy ny roa. Lehilahy iray antsoina hoe Fidelis, 32 taona, izay sady mpifoka no mpivarotra an- toerana. Tamin’ ny fanadihadiana natao azy no nilazany fa any amin’ i Dida eny Andraisoro no hakany rongony, ka raisiny 20.000Ar ny rarany ary amidiny 500Ar ny fonosana iray. Tratra niaraka taminy koa ny vehivavy roa miaraka mivarotra aminy, dia i Alphonsine 21 taona sy Ravao 55 taona.
Tsy nijanona teo ny fanenjehana fa nandeha teny Imerintsiatosika ny mpitandro filaminana. Olona roa kosa no voasambotra, R. Daniel, 59 taona, izay nahitana rongony 34 fonosana sy fototra rongony maniry 23 fototra. Araka ny filazany dia misy olona manatitra ao aminy ka 9000Ar ny hividianany ny iray sachet ary amidiny 500Ar ny fonosana iray. Tratra tany ihany koa i R. Florine, 51 taona, mpivarotra rongony. 13 fonosana no hita tany aminy. Tamin’ ny famotorana natao azy no nilazany fa any amin’ i Radezy ao Imerintsiatosika izy no maka entana ary vidiany 450Ar ny fonosana iray ka amidiny 500Ar avy eo.
Teny Andoharanofotsy no nahasamborana an- dRamatoa Florette, 33 taona, mpivarotra rongony. Tratra niaraka taminy ny rongony 126 fonosana, ka any amin’ i Benja Andoharanofotsy no hividianany izany. 60.000Ar no ividianany ny amin’ ny rongony rarany ka amidiny 1500Ar ny fonosana iray. Teny Ambatomaro ny faha-26 aogositra, nosavaina ny tranon’ity lehilahy antosina hoe Jean Philibert. Nahazo vaovao ny polisy mikasika resaka fanafihana. Tonga teny an-toerana ny avy ao amin’ny BC. Telo lahy mivarotra sy mifoka rongony no tratra tamin’izay. Olona avy eny Tsarahonenana no ividianany ny rongony. Nisy olona roa tratra niaraka tamin’i Philibert.
Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireo olona ireo.