Roa andro nisesy, olona telo no maty an-dalana teto amin’ny faritry ny renivohitra. Ny iray nteny Ambohijatovo tamin’ny talata teo. Tamin’ny 6 ora sy fahefany no nahitan’ny mpandalo azy. Ny aharoa, teny Ampasika, io andro io ihany. lehilahy 50 taona no nitsitra an-dalana. Tamin’ny 1 ora maraina no hit any fatiny. Ny fahafatesana fahatelo ny alarobia teo teny Andravoahangy. Olona eo amin’ny 60 taona eo izy io. tsy fantatra marina izay nahafaty azy, hoy ny vaovao voaray. Mikasika ireo fahafatesana ireo, voalaza fa tsy nisy ratra hita nivantana tamin’ny tenan’izy ireo. Ao kosa anefa ny manombana fa toa hoe vokatry ny hanoanana no nahatonga izany.
Nangonin’I r.s.