Tsy nahomby ny tetik’ireto andian’olona telo nikasa haka volabe tamina teratany vahiny mpandraharaha monina eto Antananarivo tamin’ny fandrahonana hanao « kidnapping » ity farany. Voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy izy ireo ary natolotra ny fampanoavana omaly 23 novambra. Araka ny fanazavana avy amin’ny Polisy dia niainga tamin’ny fitarainana voaray no nahasamborana ireto olona ireto. Ny 13 novambra tamin’ny 10 ora alina no voalaza fa nisy olona niditra an-keriny tao an-tranon’ity mpandraharaha ity. Ny ampitso, izany hoe ny 14 novambra tamin’ny 10 ora antoandro dia naharay antso an-telefaonina ilay mpandraharaha. Nilaza ilay antso fa tsy maintsy manome azy ireo 1 tapitrisa ariary ity mpandraharaha ity raha tsy izay dia halain’izy ireo an-keriny. Manoloana izany dia nandefa 200 000 ariary tamin’izy ireo ity farany. Koa satria efa nahazo fitoriana momba ity raharaha ity ny polisy dia nanokatra fanadihadiana avy hatrany ka nahafahana nisambotra vehivavy iray mpivarotra « puce » na finday eny amin’ny 67 ha, ny 15 novambra. Ity vehivavy ity no fantatra fa nividianana ireo nomerao finday nampiasaina niantsoana ilay teratany vahiny. Taorian’izay dia tratra ireo lehilahy roa izay tena atidoha rehefa nokarohina hatrany Moramanga.
T.M.