Tsy iray tsy roa, fa efa tena maro no lasibatr’ireo andian’olona mpisoloky sy mpanendaka ireto teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Vatosoa sandoka toa misy hery hafahafa no ampiasain’izy ireo : raha vao mandray izany mantsy dia tsy tompon’ny tena intsony ary manaiky izay rehetra asain’izy ireo atao.
Renim-pianakaviana no lasibatra vao haingana, ny herinandro lasa teo teny Mahamasina. Araka ny filazany dia ramatoa iray no nanatona azy ary nanomboka nampiresaka. Avy nilaza ity ramatoa ity, fa hoe manana vatosoa lafovidy azony tany amin’ny karàna hoe. Asainy mikasika izany vato izany ilay renim-pianakaviana, avy eo baikoiny fotsiny amin’ny hoe « omeo ahy ny peratrao, ny poketranao sy ny vola rehetra any ». Nanambara ilay ramatoa, fa tsy tompon’ny tenany mihitsy amin’izany fa manaiky hoazy ilay baikon’ilay ramatoa. Soa ihany anefa, hoy izy fa nisy nanaitra tampoka izy ka niverin-tsaina ary nandà izay nolazain’ilay mpisoloky sy niezaka nitsoaka. Tezitra avy hatrany ity farany ary niaka-pofona mihitsy, saingy efa tsy azony intsony moa ilay renim-pianakaviana.
Tsy io tranga io ihany anefa no efa maro no mijoro vavolombelona ao anaty tambajotra sosialy ao, fa efa lasibatra. Ao ireo tsara vintana toy ity renim-pianakaviana ity saingy, ao kosa ireo very entana, vola, firavaka, eny fa na hatramin’ny moto aza. Misy maromaro ireo mpisoloky ary miandahy miambavy mihitsy. Mitovy avokoa anefa amin’izany ny fomba fiadin’izy ireo : izay mifototra amin’ity resaka vatosoa ity daholo ary manjono ireo hazany eny amin’ny toerana be olona. Marihana fa, efa mahafantatra ity tranga ity ireo mpitandro filaminana ary efa nisy mihitsy ny voasambotra tamin’izy ireo. Raha tsy hiteny fotsiny ilay teny Ampefiloha, raha tra-tehaka saika hamono mihitsy ilay lehilahy nokasainy hosolokiany, saingy tsy nanaiky ilay olon-dratsy. Mbola maro anefa ireo miriaria any koa manentana ny olona mba ho mailo hatrany fa tsy kely lalana tokoa ny ratsy.
m.L