Tamin’ny faran’ny herinandro teo, fantatra izao fa olona efatra indray no maty an-drano teto amin’ny Renivohitra sy ny manodidina. Ny iray voalohany, lehilahy eo amin’ny 50 taona mahery eo no hita faty teny Ampefiloha Ambodirano. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nandeha teny amoron-drano ity olona ity no nibolisatra tampoka ary nianjera tany anaty rano. Noho ny herin’ny rano anefa, tsy afaka nanavotra ny tenany izy. Niantsoana ny mpamonjy voina ny fikarohana ny razana. Ny sabotsy tokony ho tamin’ny 10 ora no niseho ity loza ity. Ny fahafatesana faharoa, dia izay nitranga teny amin’ny Marais Masay, mbola ny sabotsy ihany. Ankizy lahy 13 taona eo ho eo no nalentiky ny rano. Tamin’io fotoana io, voalaza fa nilalao rano izy. Ny fatiny efa natsingevan’ny rano no hitan’ny olona. Ny loza nahafaty olona roa hafa, dia izay niseho teny Talatamaty sy teny amin’ny faritry ny By Bass. Ankilzy lahy ihany koa iry voalohany. Lasan’ny rano tany ilay izy. Fantatra izany ary samy nanao izay ho afany ny rehetra tamin’ny fanavotana azy, saingy niala maina avokoa. Ilay faty fahefatra dia voalaza fa lehilahy eo amin’ny 30 taona eo. Nandeha lakana izy io ary nivadika ilay lakana nitondra azy. Tsy avotra ihany koa ity olona ity noho ny herin’ny rano.
r.s.