Manoloana ny habetsahan’ny mponina eto Antananarivo Renivohitra, izay efa mananika ny 2 tapitrisa mahery amin’izao fotoana izao, dia tsy mitsahatra ny mitady izay hevitra handrindrana sy handaminana ny tanàna ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ezaka manokana ao anatin’izany ny fampitomboana isa ireo polisy monisipaly sy ireo mpamonjy voina izay isan’ny kitro ifaharan’ny fandaminana amin’ny ankapobeny ny tanàna sy ho fiarovana ihany koa ireo mponina amin’ny loza isan-karazany mpiseho an-tanàn-dehibe. Eo amin’ity lafiny farany ity dia fantatra fa mbola tsy ampy tokoa ireo mpamonjy voina eto Antananarivo, satria 168 monja izy ireo ankehitriny, araka ny nambaran’ny Kolonely lehiben’izy ireo etsy Tsaralalàna. Misy anefa ny ezaka ho fanapariahana lakazery izay kendrena hahasahana ireo boriborintany rehetra eto Andrenivohitra. Ho fanatanterahana izany rehetra izany no nametrahana ambany faneva ireo polisy monisipaly miisa 100 sy mpmonjy voina 50, vao nahavita ny fiofanana fototra ara-miaramila (formation commune de base) tany Manjakandriana ny faran’ny herinandro teo. Naharitra 7 herinandro ny fiofanana ka niarahana tamin’ny Rezimantan’ny Jenia Miaramila ao Manjakandriana sy ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy. Tanjona amin’izao fiofanana ara-miaramila izao, raha araka ny fanazavana, ny hamolavolana ireto zatovo vao noraisina hanatevin-daharana ireo efa am-perinasa ankehitriny, ny hanomezana azy ireo ny toe-tsaina sy ny fomba fiaina tokony hananan’ny mpitandro ny filaminana. Dingana voalohany izao vita izao fa mbola hiditra amin’ny fianarana araka asa amin’izay izy ireo manomboka izao ka eto Antananarivo no hanatanterahana izany, izay mbola haharitra 6 volana eo ho eo. Nanome voninahitra izany lanonana ara-miaramila notanterahina tany Manjakandriana izany ny ben’ny tananan’Antananarivo Renivohitra, Adriantsitohaina Naina, sy ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy, ny Jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude, ary ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Jeneraly Randrianarison Fanomezantsoa.
T.M.