- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntananarivo : Trano niandrasam-paty mbola nisy namaky ihany

Antananarivo : Trano niandrasam-paty mbola nisy namaky ihany

Manararao-paty ara-bakiteny. Mbola sahin’ny jiolahy ihany ny namaky ny tokantrano iray izay niandrasam-paty. Teo amin’ny tamboho no novakian’ireny ary lasa ny kodiaran-droa izay nipetraka teo an-tokontany. Manarak’izany, mbola an’ilay olona mana-manjo koa io fitaovana very io. Fahoriana indroa miantoana no niainana vao naraina ny andro ka nahita fa sady simba ny fonenana no very ny fananana. Manaporofo hatrany ny tranga toa izao fa tena misy ny jiolahy mpitety fahoriana fotsiny. Tsy vao izay mantsy no nahenoana fitarainana momba izany. Hatramin’ny lovia inanana vary sy kaopy isotroana kafe aza dia misy mahasahy manitrika. Efa nisy koa ny very moto ao anaty fahoriana. Ny fotoana izay ifanotronana amin’ny mangidy izany dia mbola sahin’ny sasany hidirana ihany mba hanatanterahina ny asaratsiny. Tsy hanam-potoana tokoa mantsy ny tompo-manjo ny hanara-maso ny rehetra izay tonga ary tsy fomban’ny malagasy koa ny mandroala ny olo-tsy fantatra ao anaty fahoriana. Eo indrindra no raikitra ny fanararaotana. Mody milaza ho mponina eo amin’ny kartie ny jiolahy ary manararao-paty. Tsy mandeha irery ireo satria efa misy mpitsikilo fotsiny aloha ary misy indray ny mpanatontosa ny halatra. Mifanakonakona ao anaty olona ao ary mangalatra. Betsaka ny fianakaviana efa nihatan’izany ary nahatonga ho toa ny lasa fomba ho an’ny olona sasany ny maka mpitandro ny filaminana mba hiambina ny tanàna rehefa misy ny fahoriana. Ahitàna karazan-javatra ny fiandrasam-paty, ny razana handrasana angamba sisa no tsy misy mibata…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici