jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversAntananarivo : Trano telo noravana

Antananarivo : Trano telo noravana

Taorian’ireny orana mikija be ireny, maro ny toerana eto an-drenivohitra nahitana trano ahiana hirodana. Loza mitatao ho an’ny manodidina ireny, ka tsy maintsy nandraisana fepetra, hoy ny avy ao amin’ny mpamonjy voina Tsaralalàna. Fantatra ary, fa omaly dia toerana telo no nisy fandravana. Ny volaohany dia ny teny Ambohidempona; izay namoizana ain’olona telo. Tsy lavitra teo mantsy, mbola nisy zavatra ahiana hianjera koa, dia tsy maintsy noravaina izany. Ny toerana faharoa nisiana fandravana, dia teny Andohamandry eny amin’ny Tanana ambony. Voalazan’ny tompon’andrikitra, fa loza mitatao ho an’ny manodidina ihany koa ny trano iray teny, koa dia izao nandraisana fepetra izao. Ny fahatelo, teny Ambatonakanga. Efa andro maromaro no nisy fahasimbana ilay trano, hoy ny avy ao Tsaralalàna. Fambara izay tsy tokony hojerena fotsiny hisorohana ny mety ho zava-doza, raha sanatria ka mianjera any amin’ny tranon’olona hafa.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser