- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversAntanandrano : Fianakaviana voampozina, vehivavy iray namoy ny ainy

Antanandrano : Fianakaviana voampozina, vehivavy iray namoy ny ainy

Tsy fantatra mazava hatreto izay sakafo nohanin’ireto olona tao amina trano iray tetsy Antanandrano ireto fa dia samy narary avokoa izy rehetra. Vehivavy iray manodidina 25 taona any ho any no fantatra fa namoy ny ainy vokatr’izay fihinana sakafo misy poizina izay. Omaly no nisehoan’ity tranga mahatsiravina ity. Raha ny vaovao voaray dia mpiambina miara-mipetraka amin’ny fianakaviany ao amin’ity tanana iray ity ireto fianakaviana ireto. Naman’ny mpiambina iray tonga namangy azy teny an-toerana no nahita azy eni-mianaka efa nitsitra tao amin’ilay trano lay nisy an-dry zareo. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa samy efa tsy nisy nahatsiaro tena avokoa izy rehetra ary efa nivoaka ireny karazana faroratra ireny ny vavan’izy ireo. Avy hatrany io dia nanaitra ireo fokonolona manodidina. Ary nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana ireo olona enina voampoizina ireto. Ny fizahana nataon’ny mpitsabo no nahafantarana fa voampozina izy ireo. Tsy tana intsony vokatry ny fiparitahan’ny poizina be loatra ny vehivavy iray. Mbola manaraka fitsaboana kosa iretsy dimy ambiny, narary mafy. Araka ny voalazan’ireo tompon’andraikitra tonga teny an-toerana dia mbola tsy fantatra izay sakafo nahatonga izao toe-javatra mampalaelo izao. Milaza ny hitory mikasika izao fihinana sakafo misy poizina, nahafaty olona izao ny mpampiasa ireo mpiambina, raha ny vaovao voaray hatrany. Nohamarininy mantsy fa misy disadisa momba ny ady tany ifandroritan’izy ireo amin’ny teratany karàna eny an-toerana. Ahiany ny mety hisian’ny fifandraisan’izany amin’izao fahafatesan’olona sy fanapoizinana izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser