- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntanandrano : Fivarotana telo norobain’ny jiolahy, olona iray voatifitra

Antanandrano : Fivarotana telo norobain’ny jiolahy, olona iray voatifitra

Nirefodrefotra indray ny basy teny amin’iny faritra Antananandrano, Ankadikely iny, ny harivan’ny alatsinainy lasa teo. Fivarotana telo be izao no indray nasesisin’ny jiolahy mirongo basy io hariva io. Vokany, olona iray, tompon’ny tsena no voan’ny balan’ireo olon-dratsy, vola an-tapitrisany kosa no lasan’izy ireo tamin’izany.

Tsy misy tahotra. Mbola ao anatin’ny firavan’ireo mpiasa sy mpianatra raha izany amin’ny enina ora sy sasany hariva izany. Izany hoe, ao anatin’ny fahabetsahan’ny olona tokoa, kanefa dia sahin’ireto olon-dratsy ny nandrava ireo fivarotana enta-madinika sy mpaninjara fahana finday ireo. Telo lahy izy ireo raha ny fitantaran’ny olona nahita. Nentin’izy ireo teny an-tanana ny basy poleta, ary tsy nisalasala izy ireo nanapoaka izany. «Ekena fa maro ny olona, hoy ireo zandary nanao ny fanadihadiana, saingy raha vao maheno feom-basy dia miparitaka sy mandrindrim-baravarana avokoa ». Afaka nanararaotra tokoa tamin’ny asa ratsiny araka izany ireto olon-dratsy ireo. Tao anatin’izany fifanjevoana izany no, voatifitra teo amin’ny sorony ny tompon’ny iray tamin’ireo tsena.

Tonga teny an-toerana avy hatrany nanao ny savahao teny amin’ny manodidina ireo zandary miandraikitra iny faritra iny, saingy nanjavona ireo olon-dratsy. Tsy nisy afa-tsy taim-balana poleta navelan’ireo olon-dratsy sisa no hita teny an-toerana. « Hatreto dia mbola manohy ny fikarohana sy ny fanadihadiana izahay », hoy ny fanazavana azo avy amin’ireo mpitandro filaminana. Nentina avy hatrany namonjy toeram-pitsaboana kosa ilay naratra. Fantatra kosa fa efa tsy misy atahorana ny ain’ity rangahy tompon’ny tsena, voatifitra. Saingy mbola notazomina eny toeram-pitsaboana ny tenany, ahafahana manara-maso ny toe-pahasalamana.

Miparitaka tanteraka tokoa ny basy eny an-tanan’ireo olon-dratsy, ambonin’ireo basy vita gasy mantsy dia misy ihany koa ny basy maherivaika entin’izy ireo amin’ny fanafihana. Mbola mipetraka foana anefa ny fanontaniana ny amin’ny fiavian’izy ireny, ary iza no ao ambadika ? Tsy tokony hanavahana na iza na iza angamba fa izay tratra, tokony hofaizina avokoa.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici