
Ireo fiara fitateram-bahoaka no isan’ny sahirana voalohany raha vao niakatra ny rano omaly vokatry ny rotsak’orana teto an-drenivohitra. Tetsy Antanandrano dia nianjeran’ny hazo ny taxi-be iray zotra 150. Potika tanteraka ilay fiara ary tsy afa-nihetsika teo intsony. Soa fa mba tsy nisy naratra ireo olona izay notateriny. Navoaka maika ireo olona izay niaina

tanteraka tao anaty tebiteby, sao mantsy mbola hitohy ihany ny fianjeran’ny hazo. Ho an’ny zotra 194 dia nahatsikaritra ranobe izay efa eny amin’ny antsasaky ny fiara ny mpandeha. Vetivety dia nipetaka ny anarana hoe « sambo 194 » eraky ny tambajotra sosialy vokatr’izany fiakaran’ny rano tao anatin’ny fotoana fohy izany. Tsy maintsy nitohy nanao ny asany anefa ny taxi-be no sady tsy afa-nihemotra intsony satria efa tafiditra tao anatin’ny arabe feno rano tanteraka. Adiny iray latsaka iny orana omaly iny kanefa ny fahavoazana dia tena mafy ho an’ny rehetra. Samy nizarazara teny amin’ny tambajotra sosialy teny sisa no mba azo natao satria ny olana dia efa fantatra efa ela ihany saingy ny vahaolana dia tsy misy hatreto.
D.R