- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntanetibe Mahazaza : Lehilahy avy nigadra, naka an-keriny sy namono zaza

Antanetibe Mahazaza : Lehilahy avy nigadra, naka an-keriny sy namono zaza

Miandry azy indray izany Tsiafahy ! Lehilahy iray vao avy namita ny saziny, 15 taona an-tranomaizina tetsy Antanimora  no nosamborin’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo, noho ny resaka fakàna an-keriny sy vono olona, nihatra tamina zazalahy kely 15 taona.

Ny voalohandohan’ny volana septambra lasa teo no hita faty, tetsy amin’ny tendrombohitra Tsiankaranosy, ao anatin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza ity zazalahy ity, rehefa tsy hita sy tsy nody intsony tao an-tranony ny ny roa septambra lasa teo. Raha ny fanazavana nomen’ireo tompon’andraikitry ny filaminana dia nirahina nividy kafe, ny tolakandron’io andro nahaverezany io, ary tsy niverina intsony. Niandry ihany ireo ray aman-dreniny saingy tsy hita tany nanjavonana ilay zazalahy. Taoriana kelin’io fotoana io anefa dia nahazo hafatra fohy avy amin’ny finday ireo ray aman-dreniny fa hoe mila vola dimy hetsy sy iray tapitrisa ariary ilay olona nandefa izany hafatra izany, ho tambin’ny famotsorana ilay zaza. Tsy vitan’io moa fa mbola niampy fandrahoanana ny amin’ny hoe, « raha mbola te hahita azy velona ». Nametraka fitairanana avy hatrany teny anivon’ny zandary tao Mahitsy moa ireo olona nananjanaka very ireto ary nandray andraikitra tamin’ny fikarohana sy ny ilay olon-dratsy avy hatrany ireto farany. Indrisy anefa fa ny ampitson’ny tsy nahitàna azy ireo ilay ankizilahy no hita faty teny amin’ny tendrombohitra iray teny Antanetibe Mahazaza. Araka ny tatitra azo hatrany dia efa ny harivan’ny andro tsy nahitàna azy, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva tany ho any no efa hitan’ny mpiandry omby, nitsirara tanaty rà mandriaka ilay zaza, saingy tsy sahy nampandre ny mpitandro filaminana izy ireo. Olon-kafa sendra nandalo teo amin’ilay toerana no nampilaza ny ampitson’io. 

Tamin’ny fomba feno habibiana rahateo no namonoana azy, raha ny fanazavana azo hatrany.  Nanomboka teo, tsy vitan’ny hoe fakàna an-keriny intsony no vesatra nanenjehana izay olona mety ho tompon’antoka tamin’ity raharaha ity fa niampy vono olona.  Lehilahy iray tokony ho 40 taona, izay nisy nahita niaraka taminy tamin’io fotoana io. Vao avy nivoaka ny fonja izy io, ny faran’ny volana aogositra lasa teo, noho izay resaka vono olona ihany, hoy hatrany ny vaovao. Nandroso dia nandroso ny fanadihadiana teo anivon’ny biraon’ny zandary. Taorian’ny angom-baovao isan-karazany sy ny fanadihadiana lalina dia hita ilay tompon’antoka. Ny alin’ny 08 hifoha 09 septambra lasa teo no tra-tehaka ingahy, ary mbola nahitàna vilany misy vary sy panneau solaire teny aminy. Taorian’ny fakàna am-bavany azy moa dia niaiky tanteraka ny heloka nataony ity lehilahy ity. « Fitiavana hamono olona fotsiny no antony namonoany io zaza io », raha ny fanazana azo avy teo anivon’ny zandary hatrany. Mbola notanana natao andrimaso teny anivon’ny zandary moa ity mpamono olona ity, mandrampiandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici