- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntanety-Ambohijanaka : Fito lahy nanafika épi-bar , polisy ny iray

Antanety-Ambohijanaka : Fito lahy nanafika épi-bar , polisy ny iray

Tokantrano iray fivarotana sy fisotroana iray no  notafihan’ny  jiolahy  fito, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo. Araka ny vaovao, dia tamin’ny 1 ora no nitrangan’izany. Nitondra “barre à pince”, basy kilalao, sy kibay ireo jiolahy raha araka ny vaovao avy tamin’ny zandarimaria izay miandraikitra ny fanadihadiana ity raharaha ity.

Tafiditra tao an-trano ireo jiolahy rehefa avy nanapitsoka ny varavarana. Avy hatrany, dia nizotra tany amin’ny trano fatorian’izy mivady tompon-trano. Ireto farany izay nilaza fa tsy naheno na inona na inona mihitsy raha tsy efa ireo jiolahy nanambana basy sy nanery azy ireo hatory amin’ny tany? Nandeha ihany koa ny vely kibay mba hanerena azy mivady hanoro ny toerana misy ny vola. Vokany:  lasan’ireo jiolahy ny vola 500 000 ariary maty tamin’ny varotra iray andro, “lecteur “ iray, VTT iray, finday 4, fakan-tsary iray, ary entam-barotra vitsivitsy.

Soa  ihany anefa fa tafaporitsaka ilay rangahy tompon-trano ka niantso vonjy tamin’ny manodidina. Nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy ka nenjehin’ny fokonolona, saingy niala maina. Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary avy ao Andoharanofotsy; izay miandraikitra iny faritra iny no niantefan’ny ahiahy tamin’ny olona efa-dahy izay tsy mba namonjy tamin’ilay antso vonjy nataon’ny tompon-trano tamin’ny fanafihana. Nentina teny amin’ny zandary ireo olona ireo ka tadidin’ilay Ramatoa ny akanjon’ny iray tamin’izy ireo izay mbola teny an-kodiny. Tsy afa-niala intsony ranamana ka noraisim-potsiny izy efa-dahy izay voalaza fa polisy mpiana-draharaha ny iray.  

Araka ny fanamarihan’ny tompon-trano ihany, dia isan’ireo olona nisotro tao amin’ny fivarotany ireo jiolahy ireo, ny alin’io sabotsy nialoha ny nitrangan’ny fanafihana io.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici