Hatramin’ny omaly dia mbola eny an-kianja, eo am-panenjehana ireo jiolahy mpanafika ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana, araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana. Ny alin’ny sabotsy lasa teo tokoa mantsy dia nitrangan’ny fanafihana mitam-piadiana tany amin’ny tanàna iray ao amin’ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antanifotsy. Aina roa no indray nafoy tao anatin’izany fanafihana izany, araka ny loharanom-baovao akaiky ny fanadihadiana any an-toerana. Raha ny zava-nitranga dia jiolahy maromaro nirongo fitaovam-piadiana, zava-maranitra sy basy no nanafika tokantrano iray tao amin’io tanàna io, tokony ho tamin’ny iraika ambin’ny folo alina tany ho any. Niferodrefotra avy hatrany ny basy tao an-tanàna, raha vao tonga ireto mpanafika. Nisy olona sasany naratra voan’izany bala izany moa tamin’io fotoana io. Nivantana tamin’io tokantrano iray, izay efa notilian’ireo olon-dratsy ireto farany ary avy hatrany dia nandrahona. Saingy ankevitry ny nisy fanoherana avy tamin’ny tompon-trano tao ka tsy nisalasala ireo mpanafika nampiasa ny basy teny an-tanany. Maty tsy tra-drano vokatry ny tifitra nahazo azy ny tovolahy iray, raha teny an-dalana kosa, raha ny vaovao azo, ny rafozany. Tsy fantatra mazava aloha hatreto ny anton’ny nisafidianan’ireto jiolahy ity trano iray ity. Tsy fantatra toraka izany ihany koa ny zavatra lasan’izy ireo, taorian’io fanafihana io. Vantany vao nahazo fampandrenesana kosa ireo zandary teo amin’ny tobim-paritra manodidina, dia nidina avy hatrany tany an-toerana. Efa mandeha ny hazalambo sy fikarohana ireo olon-dratsy, hoy ny fanazavana azo hatrany.
m.L