- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntanifotsy : Fiara nitondra razana nivadika, olona roa maty

Antanifotsy : Fiara nitondra razana nivadika, olona roa maty

Tany anaty rano no niafaran’ilay fiara nitondra mpamadika sy razana maina.

Avy any Faratsiho, ho any Ambatolampy ity fiara nitondra mpamadika niaraka tamin’ny razana maina ity no niharan-doza, omaly tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma lasa teo. Vokany, roa tamin’ireo mpandeha tao anatiny no namoy ny ainy, am-polony ireo naratra.

Tokony ho tamin’ny misasakalina mahery tany ho any no niseho ny loza, raha ny fanazavana azo. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Andavabato, distrikan’Antanifotsy. Voalaza fa niala fiara iray nifanena taminy ity farany, kanjo tsy voatana intsony ny familiana ary dia nivadibadika tany anaty hantsana izany “taxi-brousse”, nofain’ireto fianakaviana handeha hamadika ireto manokana. Niaraka maromaro izy ireo no niala avy any Faratsiho, izay noho ny fahataram-potoana dia voatery nanainga alina, hihazo an’Ambatolampy, tamin’io andron’ny alakamisy io. Somary taraiky taty aorian’ireo fiara nitandahatra ity fiara niharan-doza ity, izay marihana fa nitondra ilay razana havadika.  Voatery nanamafy ny hafainganam-pandehany araka izany ny mpamily, kanefa ny andro alina, ny lalana maizina. Tao anatin’izay mihitsy no sendra an’io tampoka io mpamily ka tsy afa-niala intsony. Niezaka namerina ilay fiara, hihazo ny lalany ihany ny mpamily saingy indrisy fa efa namantana tany an-kady ny lohany. Nivadibadika ambony ambany sy nikodiadia tamin’iny hantsana iny izany fiara izany ary namarana ny lalany, ireo kodiaran’efatra aty ambony, tany anaty rano.

Mafy dia mafy ny fahavoazana. Samy nanao izay nahatafavoahany tao anatin’izany fiara niharan-doza izany avokoa moa ireo tsy dia naratra. Ireo nanatri-maso ny loza sy ireo olona tamin’ireo fiara hafa, ary niampy ny zandary teny an-toerana koa no nanampy tamin’ny famoahana ireo tsy afa-nivoaka sy ireo tsy nahatsiaro tena intsony. Araka ny vaovao dia samy naratra avokoa ireo olona 27 nentin’ity fiara ity, saingy nisy tamin’izy ireo no tena voa mafy. Anisan’izany ny lehilahy lehibe iray sy zazakely iray, izay nentina avy hatrany novonjena tao amin’ny toeram-pitsaboana tao Sambaina. Indrisy anefa, noho ny ratra mafy nahazo dia tsy tana intsony ny ainy, eny fa na dia teo aza ny ezaka rehetra nataon’ireo mpitsabo. Tamin’ireto naratra sasany moa dia fantatra fa nisy ireo notsaboina tao Sambaina ary nisy ny voatery nalefa tany Antsirabe. Ankoatry ny famonjena sy ny fanampiana ireto olona tra-doza ireto dia tonga nijery ifotony sy nanokatra ny fanadihadiana manoloana izao loza nihatra izao ireo zandary tany an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici