Somary nanaitra ihany ny nandre ity tragan-javatra iray tao Antanifotsy ity ny alatsinainy teo. Fiara iray no voalaza fa nisy nanafika teny amin’ny lalam-pirenena faha-7 iny raha avy nivarotra kisoa tany amin’io toerana io. Araka ny loharanom-baovao avy eo amin’ny zandarimariam-pirenena dia voalaza fa tamin’ny 2 ora teo ho eo no nitranga izany fanafihana izany. Ary nanambara ireo olona nitondra io fiara io, izay voalaza fa mpiasa nirahina nanao io varotra io ihany, fa very lasan’ireo jiolahy avokoa ny vola vidin-kisoa tany amin’izy ireo. Ny fizahana sy ny angom-baovao nataon’ireo mpitandro ny filaminana anefa dia toa tsy mitobona avokoa izany rehetra izany satria, fotoana mbola betsaka fiara mivezivezy io ora io. Misy ihany koa ireo mpitandro ny filaminana manao fisafoana sy manara-maso ny fifamoivoizana. Koa mahagaga ihany ny mety nahatonga izany tranga izany, hoy ny nambaran’ny eo anivon’ny fampitam-baovaon’ny zandarimaria etsy amin’ny toby Ratsimandrava. Midika ve izany fa zavatra noforonina ihany ny voalazan’ireo mpiasa ny amin’ny antony mety nahavery ny vola tany amin’izy ireo ?
T.M.