- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAntanifotsy : Gadra nitsoaka no lehiben’ny dahalo

Antanifotsy : Gadra nitsoaka no lehiben’ny dahalo

Dahalo raindahiny antsoina hoe «Naivo mena», sady efa gadra nitsoaka ny taona 2018, no maty voatifitry ny zandary tao Ambohitompoina, distrikan’Antanifotsy, ny talata lasa teo. Ankoatra ity lehiben’ny dahalo ity dia azo sambo-belona kosa ny namany iray.

Ny zava-nisy. Ny harivan’ny talata teo no nisy naka tao am-bala ny omby miisa roa tao amin’ny kaominina Ambohijafy kaominina Ambohitompoina. Araka ny fampitam-baovao azo dia ny harivan’io ihany dia raikitra ny fanarahan-dia izay nifandrombonan’ny fokonolona sy ny zandary telolahy avy amin’ny zanatobim-paritra Ambohitompoina. Raha ny vaovao hatrany dia tsy ela akory dia nifakahatratra ny roa tonta. Teo anatrehan’ireto mpanara-dia dia nanao tari-dositra namela ireo hazany teo ireo dahalo. Raikitra teo ny fifanenjehana ary efa nanao fampitandremana ny hijanonan’izy ireo ireo zandary. Vao mainka anefa nanararaotra ny alina sy ny haizina nitsoahana ireto olon-dratsy ka voatery nitifitra ireo mpitandro filaminana. Ny iray tamin’izy ireo no voan’ny bala ary maty tsy tra-drano raha voalaza fa azo sambo-belona rehefa ela nifanenjehana ny iray namany.

Tamin’ny fitsirihana ny razana no nahafantaran’ireo mpitandro filaminana fa isan’ireo lehiben’ny dahalo nampitondra faisana ireo faritra maro tany an-toerana ity lavo ity, izay fantatra amin’ny anarana hoe «Naivo mena». Fantatra tamin’izany ihany koa fa gadra nitsoaka ny taona 2018 koa ity farany. Nanomboka teo no tsy hita tany nanjavonana intsony lehilahy ary tsy fantatra mazava hoe monina aiza na monina aiza. Efa tafaverina amin’ny tompony avokoa moa ny omby nangalarin’izy ireo. Ilay namany voasambotra kosa nentina avy hatrany namonjy ny biraon’ny zandary hatao famotorana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici