- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAntanifotsy : Jiolahy randahiny roa voatifitry ny zandary

Antanifotsy : Jiolahy randahiny roa voatifitry ny zandary

Jiolahy raindahiny miisa roa no lavon’ny zandary, tany Tsaratanimbary, kaominina Ambohimandroso, distrikan’Antanifotsy, ny alahady lasa teo. Saika hanafika ireto jiolahy ireto no tsikaritry ny mpiray tanàna ka nampandre zandary avy hatrany ny fokonolona. Nidina haingana tany an-toerana ireo mpitandro filaminana ka mbola tratra teo am-panaoavana ny asa ratsiny izy ireo. Nanao ny fandrika ny zandarimaria niaraka tamin’ny fokonolona ka tratra izy ireo. Nanohitra anefa ireto farany rehefa teo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ka voatery nitifitra izy ireo. Lavo nandritra ny fifandonana ny roa lahy raha voasambotra ny iray. Dahalo efa raindahiny sady mpamerin-keloka ireto voasambotra ireto. Efa namoahana fikarohana, hoy ny fanazavan’ny zandary. Mirongatra tanteraka ny asan-jiolahy amin’izao fotoana izao amin’ny endriny rehetra mihitsy. Anisan’ny mampitaraina ny olona ny teny amin’ny faritra Alasora sy Ambohimanambola iny. Voalazan’ny mponina fa mikisaka ireo jiolahy ary any amin’ny manodidina an’Ambohimangakely sy Ambohimalaza iny izy ireo no manao ny asa ratsiny. Raha ny fantatra dia efa manao fisafoana ny zandary amin’ireo faritra ireo, indrindra ny alina. Tsy mbola sendra ireo jiolahy aloha hatreto. Vao haingana nisy fanafihana nahafatesana olona teny amin’ny faritra Ambohimanambola iny. Tsy mbola nisy tratra ireo. Efa mandeha ny fanadihadiana raha ny fanazavana. Manao antso avo hatrany ny olona satria tena miaina nofy ratsy ireo sendra ny jiolahy. Mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, sahy mamono ihany koa. Tsy mahagaga raha sahy mifandona amin’ny mpitandro filaminana. Avy aiza ihany ireo fitaovam-piadiana eny am-pelatanan’ireo jiolahy ?

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici