Hiditra amin’ny fotoanan’ny fararano ireo tantsaha mpamokatra amin ‘izao fotoana. Saika efa matoy avokoa ny voly vary ho an’ny faritra sasany eto Vakinankaratra amin’izao fotoana . Misy amin’ireo faritra no anjakan’ny mpangalatra ka jinjainy amin’ny alina ny vary na dia mbola tsy tena masaka tsara aza. Ho an’ny distrikan’Antanifotsy manokana dia mandry an-tsaha mihitsy ny mponina miandry vary amin’ny alina sao misy manao latsak’alina mijinja ny vary. Tsy hita be ihany ny atao raha ny filazan’ireo mponina fa an-tanimbary mbola mitaintaina koa sao misy mandroba ny ao an-trano. Velon-taraina ireo tantsaha noho ny tsy fandriam-pahalemana, indrindra fa ny ao Sahalava sy Ambohimandroso, amin’izao fiakaran’ny vokatra izao.
Andry N.