- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntanifotsy : Mpamboly voatafika,hita nifatotra tany anaty ala

Antanifotsy : Mpamboly voatafika,hita nifatotra tany anaty ala

Akory ny hagagan’ireto fianakaviany fa olona handeha hiantsena no nialan’ny havany tao an-trano nefa dia hita nifatotra tany anaty ala roa andro taty aoriana. Nandeha nivarotra akotry 400kg  sy katsaka 100 kg any amin’ny tsena isaka sabotsy ao Ambohimandroso no nivoahan’ity lehilahy mipetraka ao Ambohijanaka-Tsaramiafara, kaominina Ambodiriana, distrika Antanifotsy io ny sabotsy lasa teo.  Tsy nody anefa ny lehilahy ny alin’io ka nampandre ny zandary avy hatrany ny fianakaviany. Tsy niverina ihany izy ny ampitso ka niroso tamin’ny fikarohana ny zandary sy ny fokonolona. Roa andro taty aoriana, na ny alatsinainy teo, dia hita nifaotra tao anaty kirihitra atao hoe Alan’Indrenary, izay tsy lavitra fa eo amin’ny 7km monja miala ny tranony ilay lehilahy. Rehefa nozahana dia sady mifatotra no tsy mahatsiaro tena. Ny patalohany ihany amin’io no namatoran’ireo nahavanon-doza azy. Nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly izy ka teo no nahalalana fa tsy nihinan-kanina mihitsy io olona io ka hanohanana no nampalemy azy. Fantatra ihany koa fa voaroba izy ary 100 000 ariary no vola very taminy. Efa mandeha moa ny fikarohana ireo navanondoza amin’izao fotoana izao.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici