Nandriaka indray ny rà teny amin’iny lalam-pirenena fahafito iny ny alahady hariva lasa teo. Mpitondra môtô roalahy no indray namoy ny ainy, vokatry ny fifandonana tamina fiarabe iray teny amin’iny distrikan’Antanifotsy iny. Araka ny fantatra dia nandeha mafy izy roalahy ireto teny ambonin’ity kodiaran-droa ity. Tampoka teo anefa, nisy kamiô nipoitra tampoka avy tao anaty fiolanana. Tsy azo nialàna ny loza, ary dia nifatratra tany ambanin’ity fiarabe ireto roalahy ireto. Mbola nisy aina izy ireo nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana, saingy tsy tana intsony izany, noho ny habetsaky ny rà very, araka ny fampitam-baovao azo.
Fa mbola resaka lozam-pifamoivoizana hatrany. Tao an-drenivohitr’i Boina tao, ny alahady hariva teo. Fiara marika « Starex » no nandona irony fiara kodiaran-telo mpanao fitateram-bahoaka irony, teo amin’ny tetezan’i Fifim, ao amin’ny fokontany Fiofio, lalana mivoaka ny tanàna, raha hianatsimo. Vokany ankizy roa no namoy ny ainy, zaza 11 taona sy 7 taona. Efa mandeha moa ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana ary efa notazomina kosa ny mpamily an’ilay fiara.
m.L