Nisehoana fanakanan-dàlana, tao amin’ny distrikan’Antanifotsy, ny faran’ny herinandro lasa teo, ka vola 4 tapitrisa ariary no voalaza fa lasan’ireo jiolahy.
Tao amin’ny làlana mihazo an’Andranofito no voalaza fa nisehoan’ity asan-jiolahy ity. Mpivarotra avy namonjy tsena no lasibatra tamin’izany, ankevitry ny efa nandrasan’ireo jiolahy ihany ity mpivarotra ity, raha ny filazan’ny loharanom-baovao azy. Avy any Andranofito ity rangahy iray, hamonjy fodiana ao Antanifotsy no izao sendran’ny jiolahy izao. Tokony ho tamin’ny 4 ora hariva no nitrangan’ny fanafihana, teny ambony moto ity rangahy ity no nipoitra tampoka avy tao ambadiky ny làlana ireo jiolahy. Avy hatrany dia nanapoaka basy ry zalahy, soa aloha fa tsy nitodika tany amin’ilay rangahy ny vavam-basy, fa nentina nampitahorana azy fotsiny ihany izany. Rehefa izany dia lasan’ireo ny vola be tany amin’ity rangahy ity ary nitsoaka nandositra avy hatrany ireo malaso. Ren’ny fokonolona manodidina ny feom-basy ka nirohatra nijery izany ny vahoaka. Mbola tazan’ny fokonolona ny nandosiran’ireo jiolahy ary raikitra ny fanenjehana. Voalaza fa niditra ny tanàna iray ny sasany tamin’ireo jiolahy, saingy tsy nisy sahy nanaraka tao intsony ny fokonolona noho ny tahotra. Tsy mbola misy tratra ireo jiolahy hatramin’izao raha ny fantatra, efa eo am-pelantanan’ny mpitandro ny filaminana kosa ny raharaha amin’izao fotoana.
Andry N.