- Publicité -
dimanche, août 24, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntanifotsy : Olona iray maty navadiky ny sarety

Antanifotsy : Olona iray maty navadiky ny sarety

Olona iray no maty niharan-doza nohon’ny fahasimban’ny sarety noentiny ihany ny 26 oktobra teo tokony tamin’ny 9 ora sy sasany maraina, tao amin’ny toerana antsoina hoe Andafiantsimo fokontany Andoharanofotsy, Ambohitompoina distrika Antanifotsy . Avy nanatitra entana tany Ambohitompoina ity lehilahy ity ka teny an-dalana hiverina ho any Analamanitra Ambohitompoina izay toerana fiaviany izy izao tra-doza izao. Nitsoaka tampoka ny kodiaran’ny sarety ilany ankavia ka nitarika ny fianjerany tampoka avy teny ambony ary mbola ilay kodiarana izay nitsoaka io ihany no nahavoatsindry ny lohany ankavanana ka nitarika ny fahafatesany. Tonga tany an-toerana ny zandary avy amin’ny Poste Avancé Ambohitompoina niaraka tamin’ny lehiben’ny CSB II, nanao ny fiazahana ny razana. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’ny fiazahana nataon’ny mpitsabo ny tra-doza.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici