Nisehoana hain-trano mahatsiravina, tany amin’iny distrikan’Antanifotsy, ny talata hifoha alarobia alina teo. Vokany, lehilahy tompon-trano iray no may kilan’ny afo tao anatiny. Raha ny fampitam-baovao azo avy tany an-toerana, dia tokony ho tamin’ny 11 ora alina teo ho eo, no nisomaritaka ireo mponina teo an-tanàna, raha nahita lela afo nijoalajoala. Tsy fantatra mazava hatreto izay tena fototry ny afo. Efa niredareda ny afo vao samy namonjy izay ho afany avokoa ireo fokonolona teo an-tanàna. Tamin’izany no nahafantarana, fa nisy olona tavela tao amin’ity trano midorehitr’afo. Niezaka namoha ny varavarana ireo mponina, fa ankevitry ny mafy hidy avy anatiny, ka tsy nety nivoha. Rehefa noezahina nopoirina anefa ilay izy, dia tafavoha ihany. Saingy indrisy fa efa nakarainkon’ny afo ny lehilahy iray tompon-trano tavela tao anatiny. Araka ny vaovao ihany anefa, dia mbola nitempo ny fon’ity rangahy ity tamin’io fotoana io ary noezahina nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana. Noho ny halalin’ny fahamaizana anefa, dia namoy ny omaly maraina, tao amin’ny hôpitaly ity rangahy ity. Raha ny fantatra hatrany, dia izy irery ihany no tao amin’ity trano nirehitra ity io alina io. Toa hoe nisy dia nalehany ireo fianakaviany tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io. Lavenona kosa sisa no hany navelan’ny afo tamin’ilay trano. Somary nampanano sarotra ihany mantsy ny nifehy ny afo noho ny rivotra nitsoka be.
m.L