Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina, teny amin’ny faritra Antanifotsy iny, ny alakamisy hariva teo. Taxi-brousse iray no nivadika rehefa avy tapaka hisatra. Vokany : olona telo no namoy ny ainy. Mpandeha teo amin’ny 20 teo no naratra, raha 10 amin’izy ireo no tena voa mafy. Tokony ho tamin’ny enina ora hariva teo no niseho ity loza ity, teo amin’ny toerana antsoina hoe Antsiriribe. Nitondra mpandeha avy namadika tany amin’izany Ambodiriana izany izy ireto, ary saika hitodi-doha hiakatra. Làlana mbola tsy tafavoaka aty amin’ny lalam-pirenena io nahavoa ireto olona ireo io, hoy ny fanazavana azo avy tamin’ny mpitandro filaminana. Misy fidinam-be izay eo amin’io Antsiriribe io. Teo am-pidinana iny indrindra anefa no nisy olana teo amin’ny lafiny hisatra, ka namotsotra ilay fiara. Rehefa tsy tana intsony ny familiana, araka ny loharanom-baovao hatrany, dia nifatratra tamina tatatra ilay fiara ary nivadika avy teo. Nijininika ny rà. Nipitika avy ao anatin’ny fiara, vokatry ny fifandonana ny renim-pianakaviana iray, niaraka tamin’ny zanany kely vao roa taona monja ary voatsindrin’ilay fonjam-by. Maty tsy tra-drano izy mianaka ireto. Torak’izany ihany koa ny lehilahy iray tompon’ny fiara. Natao haingana ny famonjena ireo naratra ; izay efa nentina tany amin’ny hôpitaly tao Ambatolampy. Ireo naratra mafy kosa, araka ny vaovao hatrany dia nampiakarina aty Andrenivohitra. Anisan’izany ny mpamilin’ity fiara ity ; izay mbola atahorana ny ainy.
m.L