- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAntanifotsy : Vaviantitra 75 taona, maty nokapain’ olon-dratsy famaky teny an-tsaha

Antanifotsy : Vaviantitra 75 taona, maty nokapain’ olon-dratsy famaky teny an-tsaha

Nitrangana vono olona nahatsiravina tany amin’ny Fokontany Atembotra Distrikan’ Antanifotsy, ka vaviantitra iray 75 taona no hita faty nihosin-drà tany an-tsaha, nokapain’ olon-dratsy tamin’ny famaky, afak’omaly naraina, tokony ho tamin’ny sivy ora. Taorian’ny nahitana ny razana, dia nidina ifotony nijery ny zava-nisy ary nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny mpitandro filaminana. Hatreto, tsy mbola misy ny/ireo tsy mataho-tody voasambotra, na dia efa misy olona izay eo an-tanàna ihany, ahiahian’ny fianakavian’ny maty ho nahavanona izao vono olona tamin’ny fomba feno habibiana izao.  « Izahay fianakaviana mahalala ny zava-nisy, fa ny ratsy tsy lavitra eto, ary matoky ny fiasan’ny manampahefana izahay amin’ny fisamborana ny olon-dratsy », hoy ny havan’ny maty. Araka ny tati-baovao voaray hatrany, anpo no halevina am-pasan-drazany Itompokovavy Razafindravelo Harety.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici