Zava-doza indray no nitranga tao amin’ny kaominina Ambohitompoina Distrika Antanifotsy, zaza vavy kely vao fito taona monja no niharan’ny fanolanana, tsy iza no nahavanin-doza fa ny rahalahan-drainy ihany. Trangam-piarahamonina mateti-piseho raha ity resaka fanolanana ity, indrindra any amin’ny faritra somary ambanivohitra. Saika mitovivoty hatrany ny fisehoan’ny fanolanana ary matetika tsy iza no mahavanin-doza fa fianakaviana hatrany. Toy ity tranga niseho tao amin’ny fakontany Ambohimandroso Ilaka kaominina Ambohitompoina ity dia ny zana-drahalahiny ihany no nanaparany ny filan-dratsiny. Taloha kelin’ny fetin’ny fahaleovantena raha niara nilalao tamin’ny namany ity zazavavy kely ity no nobatain’ilay rahalan-drainy antsoina hoe Ra Fidy, ao an-tranony na hoentiny any an-tsaha ilay zaza hanaparany ny filany. Tsy vao sambany no nanaovany izany raha ny fantatra fa efa fanaony matetika amin’io zaza io. Tambazany vola sy rahonany ilay zaza tsy hitantara na amin’iza na amin’iza. Ireo naman’ilay zaza no niteny tany amin’ny ray aman-dreniny fa nobatain-dRaFidy ilay zaza ary hoentiny manaraka azy mandeha any antsaha na hidiny ao an-tranony. Marihina fa mipetra-drery ity RaFidy ity. Teo no nanaitra ny ray aman-drenin’ilay zaza ka noentina nozahana tany amin’ny toeram-pitsabona ity farany. Voamarin’ny mpitsabo fa niharan’ny fanolanana tokoa ilay zaza ary tsy indray na indroa fa efa maromaro. Nandritra izany, nitsoaka nandositra niala ny Tanàna ilay nahavanon-doza, nihevitra angamba izy fa ho vita mora foana ny raharaha ka ny datin’ny 27 jona lasa teo dia tonga niverina tao an-tranony ary noraisim-potsiny tao.
Andry N.