- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAntanimbarinandriana : Saritsarina baomba nampisavoritaka ny mpianatra

Antanimbarinandriana : Saritsarina baomba nampisavoritaka ny mpianatra

Fonosana iray nampiahiahy no nisy nametraka tao an-dakilasy

Omaly maraina dia nisahotaka ny mpianatra tao amin’ny kilasy iray tao amin’y CEG Antanimbarinandriana raha nahita fonosan-javatra natoa tanaty baoritra, teo ambony dabilio. Samy tsy nisy nijanona tao fa lasa nivoaka avokoa. Talohan’ny nialan’ireo mpianatra ireo io efitra io dia  tsy teo io fonosana io. Nandeha nanao fanatanjahantena teny amin’ny Kianjan’i Mahamasina ireo mpianatra. Voalaza fa tsy nisy nahita izay nametraka io fonosana io.Teo anelanelan’ny tamin’ny 10 ora kahatramin’ny 12 no nonaterana tao ilay zavatra. Avy hatrany moa dia nantsoina ny mpitandro filaminana nizaha ny zava-nisy. Rehefa nojerena ny tao anatin’ilay baoritra dia “plaque”-na radio simba, niaraka tamina fil ary nisy ohatra ny famataranandro. Naraikitra tamin’ny scotch tao anatin’ilay baoritra ireo zavatra ireo ary natao miendrika baomba.

Ary dia maro ny nihevitra fa baomba tokoa ity nisy nametraka tao an-dakilasy ity. Tsy izy anefa fa toa saritsariny fotsiny. Tsy nipoaka ilay izy ary nentin’ny mpitandro filaminana.

Efa tena mailo anefa ny teny an-toerana, satria vao tamin’ny tapa-bolana no nahitana baomba iray teo amoron-dalana tsy lavitra io sekoly io. Tsy maintsy napoakan’ny mpitandro filaminana ilay izy tamin’izay.

Fa mbola omaly ihany, nisy zavatra iray noheverina fa baomba ihany koa nampisahotaka ny olona teny Ambatomitsangana. Rehefa nojerena ilay izy dia kitapo, tsy fantatra ny tompony.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser