Jiolahy roalahy nitondra basim-borina sy zava-maranitra no tonga nanafika tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ambony avaratra, any amin’ny kaominina Antanimbary’ ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny herinandro lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Avy hatrany dia niditra an-keriny tao amin’ilay tanàna volaza etsy ambony ireto malaso ireto. Sady nanapoaka basy izy ireo no nitsioka kiriorioka noentina nandemena ny iray tanàna. Nivoaka ny trano ilay raim-pianakaviana iray, rehefa nahare ny poa-basy sy ny fanafihan-dahalo. Ka teo no notifiran’ireo jiolahy azy. Teo ihany koa nanaraotan’ireo dahalo nandroba ny omby tao am-bala, ka lasan’izy ireo nandritra izany ny omby miisa roa. Tsy niandry ela izy ireo, fa nitsoaka nandositra avy hatrany rehefa nahazo ilay omby. Efa nanoboka taitra ny teo amin’ny manodidina raha nandre ny feom-basy sy nahitan’ilay rangahy tompon’omby nitsirara tamin’ny tany. Tonga ihany koa ny Zandary raha nampandrenesina, ary tsy niandry ela fa niroso avy hatrany tamin’ny fanenjehana ireo malaso. Efa lasa lavitra anefa ireo ka tsy nisy tratra intsony. Ilay olona voatifitra kosa noezahan’ny fokonolona noentina namonjy hopitaly, saingy tsy tana intsony ny ainy noho tifitra nahazo azy. Mbola mitohy ny fikarohana ireo jiolahy hamin’izao.
Ratantely