- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimbary - Maevatanàna : Mirongatra sy miparitaka ny aretina kitrotro

Antanimbary – Maevatanàna : Mirongatra sy miparitaka ny aretina kitrotro

Mirongatra sy mahazo vahana ary miparitaka ny aretina kitrotro any amin’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, disitrikan’i Maevatanàna. Ankoatra ireo ankizy madinika latsaky ny dimy taona dia mahita faisana ihany koa ny olon-dehibe, eny fa na dia ireo efa vita vaksiny tamin’ny fahakeliny aza. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo iray any amin’ny csb 2 Antanimabary, dia tafakatra valopolo ny olona voan’ny aretina kitrotro ao Antanimbary an-tapon-tanàna. Nandritra ny fanadihadiana natao tamin’ilay Rtoa Rabesoa Bakolilalaina chef csb2 Antanimbary izay voalaza etsy aloha no nahalalana fa olona maro no efa maty, vokatry ny fanaovana fitanehana ravin-kazo no sady tsy tonga mamonjy tobim-pahasalamana. Manodidina ny efapolo sy dimapolo isan’andro kosa ny olona tonga manao fizahana ara-pahasalamana eny amin’ny csb2 Antanimbary, araka ny vaovao voarainay hatrany. Maro an’isa ireo olon-dehibe hatran’ny 28 taona no voan’ny kitrotro, ary misy folo eo ho eo izy ireo no tratran’ity aretina ity. Mila mailo hatrany ny rehetra satria mora mifindra, amin’ny alalan’ny tsiranoka, pitidrora avy amin’ny marary izay mandeha amin’ny olona salama tsara. Raha vao misy iray amin’ireo trangan’aretina mampiahiahy, toy ny maso mena, orona misy lelo, hafanana tsy mety miafana dia efa tokony hanatona tobim-pahasalamana avy hatrany. Mba tsy hiparitahan’ny aretina, dia tsy tokony hivoaka ny trano ny marary, ary azo tsaboina tsara ny aretina kitrotro.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici