- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimbary - Maevatanàna: Nirefodrefotra ny basy, 20 lahy nanafika tanàna

Antanimbary – Maevatanàna: Nirefodrefotra ny basy, 20 lahy nanafika tanàna

Dahalo  roapolo nirongo basy no tonga nanafika tanàna, tany amin’ny fokontany sy kaominina Antanimabary, disitrikan’i Maevatanàna, ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Vantany vao tonga teo an-tanàna ry zalahy, dia nanapoaka basy. Tsy nisy sahy nanohitra araka izany ny olona, fa natahotra ny ainy ka teo no nahazoan’ireo olon-dratsy ny omby efatra tany an-toerana. Lasa nadeha ireo dahalo avy teo. Araka  ny fanazavana azo avy any an-toerana, dia efa nisy niantso ihany koa ny mpitandro ny filaminana, saingy namaly tsy hanara-dia izy ireo, fa alina hono ny andro. Aleo hiandry mazava, hoy hatrany ny  tati-baovao voarainay. Tsy nisy maty na naratra nandritra ny fanafihana kosa ny fokonolona. Marainan’ny alarobia vao nanao ny fikarohana  ireo dahalo ny mpitandro ny filaminana, saingy mbola tsy hita hatramin’ny androany. Nisy ny fizahana ifotony natao, ka ny Zandary ao amin’ny tobim-paritra Antanimabary no misahana ny famotorana sy ny fanadihadiana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici