- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimbary/Maevatanàna : Taksiborosy nasionaly nifaoka "Fourgon," vehivavy nitondra vohaka maty

Antanimbary/Maevatanàna : Taksiborosy nasionaly nifaoka « Fourgon, » vehivavy nitondra vohaka maty

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK279+400 tany amin’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny marainan’ny Alarobia faha 12 Febroary taona 2025 lasa teo iny, tokony tamin’ny efatra ora tany ho any. Ny angom-vaovao hatrany no nahalalana fa fiara taksiborosy nasionaly iray, izay mampitohy an’Antananarivo sy Sambava no nifaoka fiara  » Fourgon, » iray nijanona nanome lalana azy, rehefa hiditra tetezana. Vokany: potika tsy nisy noraisina avy ny lohan’ireo fiara roa ireo, ary vehivavy nitondra vohaka iray noentina teny amin’ny hopitalibe Morafenokely teto Maevatanàna nalaky, saingy nomoy ny ainy teny am-pitondrana azy izy, raha efatra kosa ny olona naratra tamin’ireo mpandeha fiara taksiborosy no efa manaraka fitsaboana eny tombim-pahasalamana aty an-toerana, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici