Hataraina ny an’ireo olona manodidina rehefa nahita sy nahatazana an’ilay Tovolahy fantatra amin’ny anarana hoe: Tojo kely, vao 23 taona maty voatsatok’antsy nitsirara tamin’ny arabe, tany an-tampon-tanànan’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna nandritra ny andro tsena ny marainan’ny Alahady faha 07 Septambra taona 2025 teo, tokony tamin’ny valo ora sy sasany tany ho any. Raha ny fitantaran’ny nanatri-maso taminay dia tao anatin’ny famelarana fitaovam-pandanjana volamena ny voalaza anarana etsy ambony no nisy olona telolahy nilaza ny handanja volamena taminy, izay somary mitsofoka anelakelan-trano moa no nisy ny toeram-pandanjana. Tamin’izay indrindra no nahatsikaritra ny antsy teo ambalahin’iray tamin’ireo telolahy ny tompon’ny trano fandanjana volamena, sady nanamafy tamin’ny teny nanao hoe: fa inona ity antsy misisika am-balahinao ity. Taitra tampoka raha nandre ny feo nivoaka ry zalahy telolahy no namoaka ny antsy avy hatrany, ka nanatsatoka izany teny amin’ny fon’ilay mpandanja Volamena iray. Mbola nahavita nitsoaka nandositra i Tojo kely, ka rehefa tonga teny amin’ny arabe dia nitsirara nihohaka noho ny fahaverezan-drà maro loatra no maty tsy tra-drano. Raikitra ny antso vonjy nataon’ny tompon’ny trano fandanjana volamena sy ireo olona sendra nahatazana izany tany an-toerana. Taorian’ny nisehoan’ny loza dia tonga teny ny Zandary sy ny miaramila miasa any amin’iny faritra iny, ary nanohy ny fanarahan-dia tsy nisy hatak’andro hatrany. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa mbola nisy olona roa hafa naratra voatsatok’antsy ihany koa, izay nifanehitra tamin’ireo olon-dratsy nandritra fandosiran’izy ireo raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Tsy hita nandritra ny fifanjevona tampoka teo moa ny sakaosy sy ny finday fampiasan’i Tojo kely, any ka tsy hay na lasan’ireo jiolahy na nisy nahita dia nentiny. Efa any Antananarivo kosa ny razana, taorian’ny nitondran’azy teny amin’ny hopitaly be Morafenokely eto Maevatanàna.
Ratantely



