- Publicité -
dimanche, septembre 21, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimbary-Maevatanàna : Valo lahy nitam-piadiana nandroba 30 tapitrisa Ar

Antanimbary-Maevatanàna : Valo lahy nitam-piadiana nandroba 30 tapitrisa Ar

Nitatatata indray ny feom-basy, tao amin’ny fokontany sy kaominin’Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Maizina ny tany aman-danitra nandritra ny fanafihana niseho tany an-toerana, tsy nahita izay haleha intsony ny olona, hany ka izay varavaran’olona sendra azy ireo no nitsofohana sy niafenana. Ny alahady 12 jolay lasa teo, tokony ho tamin’ny enina ora hariva teo ho eo no nitrangan’ny fanafihan-jiolahy. « Grossiste mpivarotra zava-pisotro no lasibatra. Nofaohin’ireo dahalo ny vola mitentina 30 tapitrisa ariary tao. Raha ny fantatra dia valo lahy no namita ny asa ratsy. Samy nitondra kalacky sy basim-borina avy izy ireo. Nitaky vola tao amin’ilay tsena ireto farany vantany vao tonga. Nambanany tamin’ny basy ny mpivarotra, ka tsy afa-nihetsika. Lasa tamin’izany ny vola rehetra. Vetivety monja ny fanafihana. Lasa nitsoaka nanaraka elakelan-trano izy ireo. Tsy nisy nisaron-tava ihany koa ry zalahy fa samy nanao satroka misy sofina ireny mba hanakomany ny endriny avy, » araka ny loharanom-baovao hatrany. Taorian’izay no tonga nanao ny fanenjehana ny Zandary. Marihana fa tsy lavitra ity asa ratsy ity, ny biraon’ny Zandary saingy tsy tratra intsony ireto mpanao ratsy. Mandeha ny fikarohana ny raharaha. Efa any am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny tohiny.

Ratantely 

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici