- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimbary-Maevatanàna : Zazamainty iray nosamborin’ny miaramila, mitroatra ireo namany sy ny vahoaka

Antanimbary-Maevatanàna : Zazamainty iray nosamborin’ny miaramila, mitroatra ireo namany sy ny vahoaka

Mafana ny toe-draraha any amin’ny fokontany sy ny kaominina Antanimbary, disitrikan’i Maevatanàna, taorian’ny fisamboran’ny miaramila ilay Zazamainty mpambina tanàna any an-toerana. Ahiana mety hivadika fifandonana sy sakoraka mety hiafara amin’ny rà mandriaka ny raharaha, raha tsy voalamin’ny tompon’andraikitra haingana ny olana. Olona natokisana nitondra fandriam-pahalemana ny vahoaka any an-toerana, izay nilaza fa «  hararaotina izahay satria tambanivohitra tsy mahay taratasy, ary lazaina fa izahay ihany no manao dahalo. Tsy marina velively izany, hoy Rtoa Nirina, lehiben’ireo Zazamainty any an-toerana nitondra fanazavana taminay omaly, satria manana taratasy ara-dalana izahay matoa afaka miasa etsy sy eroa, ary efa nosoniavin’ny tompon’andraikitri-panjakana mahefa maro izany. Raha ny fantatra, hoy hatrany izy, dia resaka lonilony efa nokotrehina hatramin’ny nahatongavanay niasa eto no fototra ny olana, ka izao nitarika fisamborana ny namanay mamy hoditra amin’ny vahoaka izao. Misy amin’ireo mpitandro ny filaminana sasany  zatra ny lalan-dririnina mantsy no tsy faly amin’ny fisianay, fa hoe manapaka ny finanany hono ny fahatongavanay ato amin’ity faritra ity, fa mampilamina ny tanàna. Raha vao misy hirika hanenjehana ny Zazamainty dia mananaraotra ireo mpitandro ny filaminana tsy maty voalavo an-kibo ireo, hoy hatrany Rtoa Nirina. Manoloana izany dia tsy mankasitraka ny fisamborana nataon’ny miaramila ny ben’ny tanànan’ny Kaominina Antanimbary makasika ity toe-draraha ity, raha sendra nitafa taminay.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici