- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimbary RN4 : Taxi-brousse nivadika, namono olona roa

Antanimbary RN4 : Taxi-brousse nivadika, namono olona roa

« Resin’ny torimaso ny mpamily ka nampivoaka azy tamin’ny lalany ». Io, raha ny vokatry ny fanadihadiana voalohany ifotony nataon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Maevatanana, no antony nahatonga ity loza mahatsiravina, nitranga tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, teo Antanimbary, kilaometatra vitsy tsy hiditra ny tanan’i Maevatanana, ny sabotsy maraina lasa teo.

Olona roa no fantatra hatreto fa namoy ny ainy nandritra izany lozam-pifamoivoizana nahazo ity taxi-brousse, avy ao amin’ny orinasam-pitaterana iray aty an-drenivohitra. 13 kosa ireo naratra mafy ary nisy tamin’ireo no tena ahatahorana ny ainy, hoy hatrany ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana. Tokony ho tamin’ny efatra ora maraina tany ho any no niseho ny loza. « Handeha hihazo ny renivohitr’i Boina ity fiara ity, avy any an-drenivohitra. Ary teo amin’iny fiakarana teo Antanimbary iny no nivoaka ny lalana ilay fiara. Nivarina ary  nivadibadika tanaty hantsana », raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Potika tanteraka tsy nisy noraisina ity fiara « sprinter » ity, hany ka voatery nosokirina tao anaty avokoa ireo mpandeha vao tafavoaka. Tsy dia fandehanana mafy loatra no nahavoa azy teo fa vokatry ny faharerahan’ny mpamily, azon’ny torimaso ka tsy nahafehy intsony ny familiana.

Vantany vao naharay ny vaovao moa ireo zandary tany an-toerana dia nihazo avy hatrany ny toerana nisian’ny loza ary nifanampy tamin’ireo mponina manodidina tamin’ny famonjena ireo naratra sy ny fisokirana ny vatana mangatsiak’ilay lehilahy sy vehivavy, maty tsy tra-drano tao anatin’izany loza izany. Ireo tsy dia naninona no avy hatrany dia navantana tao amin’ny hôpitaly tao Maevatanana, saingy nisy kosa, raha ny vaovao azo hatrany, ireo nila fitsaboana lalindalina ka tsy maintsy nampiakarina taty an-drenivohitra. Fantatra fa anisan’ny naratra tamin’ity loza ity ny mpamily ary efa nahazo fitsaboana. « Tsy maintsy misy ny fanadihadiana atao, hoy hatrany  ny teo anivon’ny zandary, ary misokatra izany »

Efa hanomboka tokoa ny fialan-tsasatra lehibe ato ho ato ary ho maro dia maro ireo hindrana ireo lalam-pirenena. Fotoana « fanaovana vola » araka ny fomba fitenin’ireo fiara mpitatitra ny vanim-potoana tahaka izao. Kanefa tsy izany mihitsy akory no handeha hanaovana antsirambina ny ain’olona marobe entin’izy ireo. Matetika rehefa vanim-potoana tahaka izao dia tsy maintsy misy foana ny fepetra raisin’ireo tompon’andraikitra, na ny eo anivon’ny Ministera izany na eo anivon’ny Fitsaràna fiarakodia, ary indrindra indrindra ireo mpitandro filaminana amin’ireny lalam-pirenena ireny. Koa heverina fa hihamafy izany fepetra raisina izany, entina misoroka ny loza tahaka izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici