Toeram-pivarotana enta-madinika isan’ny mandeha be eo amin’ilay toerana, izany hoe teo Antanimena-Ambany, no nataon’ny dimy lahy lasibatra. Teo am-panomanana ny fanidiana ny tsena no tonga ireo olon-dratsy. Ny roa tamin’izy ireo no nanao saron-tava. Basy iray sy sabatra telo no nampiasain’izy ireo nandritra ny fanafihana. Ny harivan’ny alarobia teo no nitrangan’izany, ary amin’ny fotoana mbola maha-betsaka olona mifanaretsaka teo amin’ny manodidina. Lasa nandritr’ity fandrobana ity ny vola rehetra izay maty nandritry ny andro, tombanana ho roa tapitrisa ariary raha araka ny loharanom-baovao teo anivon’ny mpitandro ny filaminana. Mangana ihany koa ny tarehin’ilay sinoa vavy rehefa voadaroka. Andro maromaro talohan’io fanafihana io dia nisy lehilahy mandalo matetika ary mangataka ao amin’ilay toeram-pivarotana. Rehefa nitranga ny asaratsy ka nandeha ny fitadidiana rehetra dia niantefa tany amin’io olona io ny fanahiana. Heverina mantsy fa efa mitilitily izy io mody mangataka io. Tsikaritry ny voatafika ihany koa fa tsy manao kiraro ny telo tamin’ireo mpanafika, indrindra ilay nitondra basy. Mbola azo heverina izany fa basy kilalao no nampiasaina. Efa ao anaty maizina rahateo ny andro dia sarotra ny hahafantatra an’izany ho an’ny niharan’ny fanafihana…
D.R