- Publicité -
jeudi, juin 12, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimena : Efa-dahy niaraka tamin’ny sabatra, nanafika fiara

Antanimena : Efa-dahy niaraka tamin’ny sabatra, nanafika fiara

Ny alarobia lasa teo, fiara tsy mataho-dalana iray no niharan’ny fanafihan-jiolahy teo Antanimena ambany. Tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva tany ho any no niseho ity tranga ity raha ny filazan’ireo nanatri-maso. Efa-dahy ireo olon-dratsy ary nitondra sabatra. Avy hatrany dia nivantana tany amina fiara tsy mataho-dalana iray ireto olon-dratsy. Angamba tsy nahavoa tamin’izany fa dia nifindra teo amina fiara iray taoriana indray. Ireo fiara nanaraka moa, raha vao nahita izany avy hatrany dia nihodina sy niverin-dalana avokoa. Torak’izany ihany koa ireo olona nandeha tongotra izay samy nirifatra nitsoaka daholo, hany ka tsy nisy nahita intsony izay niafaran’izany. Tsy nisy tatitra na fitarainana azon’ny pôlisy misahana iny faritra iny mahakasika ity tranga iray ity rahateo raha ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra. Azo heverina fa mety ho tsy nahazo n’inona sy tsy nahavita ny asa ratsiny ireto jiolahy ireto araka izany. N’aiza n’aiza tokoa amin’izao dia manjaka ny tsy fandriampahalemana. Raha teny amin’iny faritra Andohatapenaka iny no nampikaikaika ny rehetra ny amin’ny resaka fanendahana sy fanafihana ireo fiara anaty fitohanana, dia efa tonga hatreny Antanimena amin’izao ireo olon-dratsy. Antanimena izay efa iaraha-mahalala ny fitohanana raha vao manomboka mirava ny mpiasa sy ny mpianatra. Na dia tsy tonga tany amin’ny pôlisy misahana iny faritra iny aza moa ny fisian’ity tranga niseho ity, dia nambaran’izy ireo fa tsy maintsy handray fepetra manokana mahakasika izany ireto farany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici