- Publicité SW45 -
lundi, septembre 16, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntanimena : Fiara nodomin’ny lamasinina

Antanimena : Fiara nodomin’ny lamasinina

Tafavoaka mialoha ny mpamily sy ny olona tao anatiny ary avotra soaman-tsara. Ilay fiara kosa no potika tanteraka tsy nisy noraisina intsony.

Lozam-pifamoivoizana tsy dia fahita loatra raha eto an-drenivohitra ny fifandonan’ny lamasinina sy ny fiara. Omaly anefa dia nitranga izany tetsy Antanimena ambany, tsy lavitry ny Cask PK0. Fiara kely iray marika Vokswagen no nikarainkona tanteraka, rehefa voadona sy voatariky ny lamasinina iray mpitondra solika, handeha hiditra ny gara eo Soarano. Raha ny angom-baovao azo dia toa hoe tsy afa-nandroso no sady tsy afa-nihemotra intsony ity fiara ity rehefa tafajanona teo ambonin’ny lalamby, izay nanapaka ny lalana nandehanany. Handeha hivoaka ny arabe mantsy izy io, raha ny voalaza hatrany. Nanao izay ho afany ihany ny mpamily, rehefa naneho ny anjomara lavarenin’ilay lamasinina, saingy tsy afaka. Tamin’ny ora farany no nahafahan’ny mpamily niala tao anaty fiara, talohan’ny nandoman’ilay fiaran-dalamby aman-taonina maro ilay fiara kely sy nitaritaritany izany amina metatra vitsivitsy. Tsy nisy araka izany ny aina nafoy fa ny fahasimban-javatra no betsaka. Efa tazana teny an-toerana moa ireo pôlisy misahana manokana ny zotran-dalamby, izay nijery ifotony ny zava-nisy sy nanokatra ny fanadihadiana.

Mila fahamailona tokoa ny manapaka ireny lalamby ireny, hiàlana amin’ny loza tahak’izao, ho an’ireo mpampiasa lalana. Ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana rahateo dia milaza mazava fa tsy azo atao velively mihitsy ny mijanona ambonin’ny lalam-by na inona na inona antony. Raha ny hita anefa, mbola maro ireo mpamily fiara no minia manao izany, indrindra fa rehefa tratran’ny fitohanana, eny amin’ireo « passage », tsy misy sakana ireny. Fotoana angamba izao, ho azy ireny, hiverenena hianarana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana indray, indrindra fa amin’izao ankatoky ny fahatongavan’ny « train urbain » izao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici